You are here: home > Vetso

TSY HAHITA INTSONY - Fidy Art Niaina

Tsy hahita intsony ianao olona manaja
Ekeko hoe ianao iny dia manja
Ka izay mahita anao dia babonao ny fony
Fa ny manaja anao toa ahy? Ianao tsy hahita intsony

Tsy hahita intsony ianao olona tena tia
Fotsiny, hanimba anao no tanjony di miloka ny ho doria
Ampandriany adrisa ianao; tambazany hitony
Fa ny tia anao toa ahy? IANAO TSY HAHITA INTSONY

FIDY ART NIAINA in Vetso VII

Sokajy : Fitiavana, Hambom-po

Mombamomba

Mpanoratra : Fidy Art Niaina


Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 13/05/2019
Mpamangy : 68
Mankafy : 1
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

HAMBO
TSY ALAHELOKO ANAO
NOFY
HIONDRIKA

Hametraka hevitra

Midira aloha