TONOM-BAVAKA (fily)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONOM-BAVAKA

Tompo O !
Marina tokoa
F'izahay roa
Na hisitrik'aza moa
Hitanao ny tampon-doha
Ka ny tena soa
Ny mangataka am' fo

Ka atolotray
Ny tonom-bavakay

Eh !
Ny tonom-bavakay ve !
Ao ianao ry lay Nahary
Izahay tsy mahita anao
Nefa ianao mahatazan'isan'andro
Mahita anay mibaribary

Tompo O !
Angoray re ty fo , mahatra
Mangetaheta , mitalaho
Fa ny momba anay
Ao ianao mahita ny fiarahanay
Na tsara io na hoe : maloto

Enga anie mba ho tanteraka
Mangataka Aminao , mba ho tontosa
Hiara-dia soaman-tsara
Tsy ho lasa angano na tantara

Fa fon'olon-droa
Ho fon'olon-tokana
No ao antokan-trano
Ka tsofi-rano sy omeo tso-drano
Tompo O ! hiantrao izahay

Mba ekeo ry Tompo izany hatakay
Fa ianao ilay Nahary
Avy Aminao ihany no ahafahanay
Manatanteraka ny hetahetanay
Ny fanirianay mba hiaraka
Ny hitambatra ho iray
Ka mihanta aminao ry Ray
Tompo O ! mamindra fo aminay

Ny toky nifanaovanay
Tsy fiarahana vetivety
Na hoe taona iray
Fa aharitra ho mandrakizay
Izay no angatahinay
Tompo O ! Ekeo ny vavakay

Tompo O !
Ny hatahoranay !
Ts' inona tsy akory !
Fa ny fakam-panahy
Io no aretina mampiahiahy

Ka mitalaho Aminao ry Tompo !
Raha sendra misaodisaody eny
Hesory ! , fa manorisory
Aza avela hipoitra
Fa vonoy sy fongory

Sanatria !
Tsy somongamonga
Na hoe vazivazy
Mangatak'aminao ry Tompo
Ho vita Mariazy
Hiarako-doria
Mandrakizay
Tompo O ! Ekeo ny vavakay

Amen !






Mpanoratra: R.P.G. na Fily.
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
2498 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fily
Nampiditra : fily
Daty : 26/02/2006 08:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106