Adin-tsaina (FITIA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miasa mafy ny saiko ry tiana
Mba mangataka aho, aza kiviana
Miandry valin-teny avy aminao
Aza afenina re ambarao

Efa hoa avy ity ny fialam-boly
Hiato kely indray ny ao an-tsekoly
Dia ho marina ve sanatria:
Hisara-toerana izaho sy indry?

Tsy dia sitrako loatra anie izany
Raha ny tiako dia miaraka hatrany
Nefa moa tsy izaho no mandidy
Anjaranao ny misafidy

Raha toa ka tsy maintsy hifandao
Moa ve zany alaheloko anao
amam-bolana maromaro ihany,
moa ho zakakao, moa tsy hitomany?

Taratasy no atao be dia be
Antenaiko mba hamaly ise
Hampisafa ireo adin-tsaina
Mijaly aho nefa tsy hitaraina.

Liva RAFANOTSIMIVA
31/05/99
--------
Rohy:
5949 0
Hevitra mandeha
vetsoko ( 26/01/2007 16:16)
courage ianao fa tafalatsaka
paolla ( 17/10/2007 08:53)
Ari enao zan ten maitait mits a!eo ranga a!mb asio anlé tononkalo mampalaelo be ren e!(lé itanao lé olona vôdona reni:fitiavna io n resaka a!)
mlai be e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FITIA
Nampiditra : mercure
Daty : 24/01/2007 11:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102