Nilaozan'olontiana (Flr)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hany heriko mangina
Malahelo sy misento
Fa nilaozan'olontiana
Ka marary irery eto

Toa ngazana ny tany
Manjaka ny toloko
Tena mampitomany
Fa maharary loatra ny foko

Vitanao ny nandao ahy
Tamin'ny ora tsy nampoizina
Hay ianao toy ny tsisy fanahy
Sahala amin'ny olom-boaozona

Nomenao olon-kafa
Ny fitiavako anao
Saingy indrisy tsy mety voafafa
Ireo zavatra niarahana nanao

Fa inona loatra
Ny ratsy nataoko anao?
Ka nahatonga anao hitroatra
Ka nampijaly ahy toy izao

Ny todim-paty hono aza manody
Fa ny tobim-pitia manodiava
Aleo any an-kafa no hitady fanafody
Fa ny amintsika efa rava

Atolotra ho an'ireo nilaozan'ny olontiany, aza kivy fa iray mipitsika, folo mikitika.

Flr/20-01-2015
--------
Rohy:
1607 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Flr
Nampiditra : fidelraza
Daty : 20/01/2015 10:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136