Feo mibitsika (Fongasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fantatra loatra hoe iza sy taiza?
Ity feo iray tsy sasatra mitaiza
Toa mitantan'ahy hatraiza hatraiza?
Ka mibitsika foana hoe: mahaiza

Mahaiza hoy izy ianao mitsara
Mandiniha akaiky ka mahafantara
An'ireo izay voasoratra sy voambara
Fa izay sitrak'Andriamanitra no atao hoe tsara

Tena mahatsapa aho fa isany niangarana
Fa terena tolorana fahasambarana
Fa mby efa tazako eo ambaravarana
Raha ireo fitsipika napetrany no ilofosako ianarana

Izaho no naditra e! tsy laitra nanarina
Tsy tia ny mahitsy, tsy nanao ny marina
Toa ny mahita lavaka fa mbola mivarina
Toa ny manoloana fitaratra fa mitavon'arina

Baikona antsindrimandry isan'andro izao tenenina
Hoe: Raha natao hiasana ireo andro enina
Ny alahady kosa mba mankany am-piangonana
Ary tsy raisina ho sazy ka himenomenonana
Fa ho fankasitrahana an' ilay namorona anao
Izay tsy biby na hazo fa olombelona izao

Fa na ireo talenta nananako sy ny vady aman-janako
Izay nokilasiako ho mba hany fananako
Na ireo fanambinana amin'ny toerana andehanako
Mbamin'ireo izay saro-bidy mandalo ny tanako
Na ireo fahombiazana tamin'izay nifaninanako
Dia mitaky ny hamerenako aminy indray ny fihavanako
Izay inoako fa mbola antony itsanganako
Ka ny didiny hataoko ondana hondanako
Ny fitsipiny, no lasa vilia hihinanako

Izay rehetra ataoko, aminy no ikambanako
Raha ny faniriany fa nosakatsakanako
Mbola fidifidiko sy tombatombanako
Izato hery efa apetrany eto an-tanana ankavanako

Toy ny afo sy fanala raha ampitahaina
Toy ny fonjam-by sy akofa rehefa lanjaina
Fa tsy mihoatra amin'ny Joba rehefa tsaraina
Amin'ireo fitsapana tsy maintsy zakaina
Tsy mbola mafy akory ka hihatra aman'aina
Ny fizahana nataony fa tsy takatry ny saina

FONGASY
--------
Rohy:
Sokajy : Finoana
1566 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fongasy
Nampiditra : Fongasy
Daty : 02/09/2016 08:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104