Ilay fihevitro diso (Fongasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mifona aho Ray ô!
Fa saika hahiliko tani aminao
Ny fototry ny mafy izay iainako izao
Nefa rehefa tena zohiana

Dia izaho no iankinan'ny tantarako any aoriana

Voavaliko ihany ireo fanontaniana
Manadala ny saiko fa saro-baliana
Hoe saika hatao inona hampideraina
Teo afovoan'ny saha moa zao 'lay hazon'aina?

Eny efa fantatro ny valin'ny hoe:
Iza no namorona ny fiavonavonana
No sady tsy nanota na ombam-panozonana
Ary asan'ny tanan'iza moa izany Eva
Izay dondrona sy kanosa mihoatra ny Rameva

An'iza ny tsy firaharahàna
No nanao izay nataony tao ilay menarana?
Iza no nametra
Ny fisainanay rehetra
Miaina ety an-tany,
Moa tsy ianao ihany?

Izay dia tsy mba namoronanao lasitra itambarana
Mba nandramanao kely, nanamboaranao
Ny lafiny mety atao hoe fivelarana
Ka hahatsapanay rehetra fahasambarana
Tsy hanam-pahakiviana, tsy hisy fahasasarana
Fa izay zavatra atao, hahitam-pamokarana

Maninona ianao, raha namorona ny aina
Taorian'ny taranak'i Abela sy Kaina
Raha ny marina aza, mbola novaina
Fa nisy an'i Noa izay notsongaina
Nahoana tamin'izany andro izany
No mbola nisy ny saranga ambony sy amnabany?

No tsy napetraka amin'izay
Ho an'ny tsirairay
Ilay valim-bavaka
ts'isy ankanavaka

No tsy nozarazaraina
Ny Fanahy masina fa saro-dazaina
Toa sadasada, tsy lena, tsy maina
Hatramin'ireo lohandohany izay indraindraina
Ka mody Andriamanitra no hirahiraina
Nefa dia ny sainy sy ny fony mihitsy no efa kilemaina

Izaho aza moa efa nihevitra hoe:
Ilay anjely mpiambina voatokana anie,
Ka mety ho anjely osa na tsy maharé
Fa raha mangataka ianao izy tsy manome

Tena tsy mifandrify amin'izay angatahina
Ka hoy aho hoe: "raha tsy marenina io dia pahina"
Zany e! Raha tsy lalondalovana izy dia jamba
Raha tsy hoe misy karazana anjely kosa angamba
Tsy mendrika ny hatokana ho anjely mpiambina
Satria sady varimbariana no manao an-tsirambina

Diso anefa aho tamin'ireo fiheveraka
Raha manombana ny anjarako sy mandinika ny toerako

Misaotra anao lehibe aho ny amin'ny lasa
Ny ho aviko rehetra s'izay misy anio
Fa tena mba hita tokoa ianao fa niasa
Ary eny am-pelatananao ny momba an'io

Nataonao meva sy mambabo aok'izany
Ny lohasaha mbamin'ny rano sy ny tampon-tanety
Na tsy lafatra toy ny lanitra aza ny ety an-tany
Dia tsikaritray fa azo iainana sy mety

Raha tena tsorina dia izao:
Ianao dia ianao
Ilay nitondra aina vao
Ary noho ny fahasoavanao
No naha toy izao
An'ity fiainan-janakao
Izay efa saika nandao
Izao tontolo izao
Fa maika hiampita
Any amin'ny fiainan-tsy hita
Satria tsy nahay namisavisa
Izay andro vitsy sisa
Ny ranomasoko tsy ritra
Fa isa-minitra aho
No entanin'ny sento mavesatra
Misy in-telo na in'efatra
Satria tia manakiana
Sy be fanahiana
Hoe: "Natokana ho ahy ny faharatsiana,
Voahozona angamba, tsy hanam-pifaliana
Fa natao hilomano ao anaty fahoriana
Ka sento sy fijaliana
No efa zary lamba fitafiana
Tsy izany anefa fa izao
Ianao ilay avo indrindra
Izay niandohana sy ho mandrakizay
Ianao no mandamina sy mandrindra
Ny amin'izay rehetra momba anay
Na ny osa sy ny miana-mamindra
Na ny tsy mihevitra anao ho mahay
Nefa na ny tendrombohitra aza no tiana hafindra
Dia afaka mihetsika-miaraka amin'izay
Na mbola tsy aloaky ny vava izay tenenina
Ny any anatin'ny fo tsy azo afenina
Na ny nampiasako ireto taratasy sy penina
Dia nankiniko aminao, Noho izany aho: Tsy manenina

FONGASY
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1378 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fongasy
Nampiditra : fongasy
Daty : 02/09/2016 09:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137