You are here: home > Vetso

Omeo amin'ny fo - Fongasy

Aza terena izy ndh hisaotra
Na nomenao zava tsaro bidy
Any amin'ny lavak'orony ve ianao no mikaokaotra
Nefa any amin'ny sofiny no mangidihidy

Rehefa tsy am-po izay atao;atsaharo
Fa mamoaka sary mampangaroharo
Tantely sy ronono sy lelo nafangaro
No totofanao tsiky sy angoty mifangaro

Raha hizara zava-tsoa,
Ny mety ho valiny aza takiana
Fa mbola hisy valiny avokoa
Izay atao rehetra rehefa any aoriana

Ny mitaraina noana toloranao fitafiana
Dia mihevitra ianao fa nanolotra fanampiana
Ianao olon-kendry no anarina
Rehefa manoma;   ny fo mba velarina

FONGASY

Sokajy : Fiaraha-monina

Hevitra mandeha

fongasy (06/09/2016 12:05:58)

0334306798

fongasy (07/09/2017 21:12:39)

0342926398

Hametraka hevitra

Midira aloha