Voro-mahery taizan'akoho (Fongasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hay moa zany ity zaho ka izao e!

Ampitoviako amin'ilay atody
Sendra an'ity lahiantitra iray
Raha iny harivariva iny no handeha hody
Avy any anaty ala fa naka kitay

Remby hoy izy ka noraisiny izay no hainy
Fa izay renin'atody tsy niasan'ny sainy
Ka nampikotrohiny ny akohony mamàna
Vao telo andro tao antanàna

Dia tsy nisy nahalala hono ny manodidina
Hoe ana bibilava sa voro-manidina
Izay tsy ngeza moa tsy kely fa saro_dazaina
Raha izy sy ny akoho no nampitahaina

Foy ny anao ka niaraha_nijery
Ka fantatra sy voamarina fa hay zana_boromahery
Voromahery izay osa sy donàka
Fa ny kôkôrikô sy ny fomba fandàka
no nianarany mafy sy tena lalainy
Fa ny hoe mba hanidina tsy mba tao an_tsainy

Tsiriritiny ao am_pony ny fafanaon'ny angididina
Fa kinga sy ary hoy izy ka afa_manidina
Fahasahiana ny azy no tsy niasa
Tsy tsapany fa mikopaka kely izy izao dia lasa
Fa na firy metatra any ambony izy no hitazana ambany
Voa_janahary vitany fa tsy nataony izany
Nohon'ny fahatahorany sy tsy fahafantarany
Ka nataon'ny oiona hoe voromahery tsy manidina ny anarany

Dia toy izany no iheverako ny aiko
Amin'ireo zavatra vitako sy haiko

Asa ity zaho na:


Mahay mampiasa saina nefa tsy misy saina hampiasaina
Na misy saina hampiasaina nefa tsy mahay mampiasa saina
Fa miaina fiainan_tsotra sy mora tantaraina
Satria sakaizan-jaly sy tompon'ny taraina

mba nianatra ihany,tsy boka tsy kilemaina
Nefa ny nohanina omaly tadiavina apitso maraina
Maivana e!poak'aty tsy maha vavaina
Ny asan'ny tanako rehefa tsaraina
Toa an'ilay vorormahery tsy isalasalana
Fa tsy ampy risika sy fahalalàna

Ny mba hamiratra toa an' ireo namako
Tsy nikirizako,tsy mba nandramako
Hany ka tsy misy zavtra ho tondroinahoe itsy
No mba vokatry ny asako izay inoako fa mahitsy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1205 1
Mpakafy: fongasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fongasy
Nampiditra : Fongasy
Daty : 01/09/2016 09:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153