" Tiako Ianao" (Frédéric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny teny hoe "tiako ianao"
Dia teny mampalasa adala
Teny avy ao am-po avy ao
Teny sarotra ambara

Teny iray mampifaly
Hanadinoina ny rehetra
Toa te hilaza azy hatrany
Na mandeha ,na mitoetra

Teny tsy mba mety maty
Ary tsy mba mety lefy laza
Mahery loatra ao anaty
Ka voaloaky ny vava

Teny iray mampitomany
Nefa mia-mitampikitra
Toa tsy te hilaza azy izany
Rehefa voahilikilika

Tsy nosaintsainina akory
Fa toa tongatonga ho azy
Toa tsy mety ahitan-tory
Fa teny iray manasazy

Toy ireny adala ireny
Izato vatantenanao
Raha toa ka tsy voateny
Ilay teny hoe"tiako ianao"

Teny iray misoko miadana
Ka mikiky moramora
Raha tazanina tsy tazana
Fa raha akaiky dia mandona
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
3430 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107