Ny fiainana eto an-tany (Frédéric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny fiainana eto an-tany
Dia feno tsiky sy tomany
Sady mangidy no mamy
Tsy atao mahagaga intsony izany

Ao ny andro hifaliana
Ao ny andro fahoriana
Ao ny andro hitsikiana
Ary ao ny andro hiadiana

Iainana avokoa
Ireo fiainana taloha
Indrindrandrindra moa
Fa ny ratsy sy ny soa

Ireo rehetra ireo
Dia tsy atao mankaleo
Fa ny fiainanao jereo
Dia iareto sy iatreo

Raha ny fiainana eto
Dia tsy atao mampisento
Hoy aho hoe iareto
N'iza n'iza no maneso
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
2577 0
Hevitra mandeha
rasoloniainamirajo ( 29/05/2017 18:11)
Mahereza hatrany ianao fa mbola ho avy ny maraina vaovao!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138