Zaza kamboty (Frédéric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mampalahelo ihany
Ny fahakambotian'ny zaza
Fa alahelo sy tomany
No mameno izato tava

Toa tsy misy ny mpiahy
Sady tsisy mampifaly
Mampivonto ny fanahy
No mahita azy mijaly

Eny,toa mireninireny
No mbola tsy mianatra
Tsy eo intsony dada sy neny
Antenaina mba hananatra

Sakafo tsizarizary
No ao anaty kibo
Ra sendra mba marary
Tsy misy ny mitsabo

Rahoviana vao hisàva?
Asa raha rahoviana?
Ity ranomaso lava!
Sy fangirifiriana.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1349 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099