13 MEY 1972 (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
13 MEY 1972



Daty malaza no ambara sy avoaka
fa nampivaivay fihetseham-bahoaka
tampoka ihany ka nampikorontana
ireo FRS nitondra haromotana.


Grevin'ny mpianatra nitady fiovana
hihataka kosa amin'izay fahantrana
sy ny hanongana an'izato Filoha
vao " tsak, tsak" no vava tokoa.


Grevin'ny mpianatra feno habibiana
tsy nampitsahatra an'ireo fijaliana,
nidirana am-ponja sy nampitomany,
fa maro dia maro no natao sesitany.


Tifitra adala tsy mba natahorana,
na Malagasy no maty sy torana,
namoy ny ainy tsy fidiny akory,
nahenoana koa hoe : sambory !


Tifitra adala tomefy herisetra
nahakivikivy sy nampitsetsetra
nandoza mihitsy an'ity tanintsika
voan'ny ady sy ity rà  mandriaka.


Tolom-bahoaka izay leo Piso Dia
nivelatra ombieny tsy hampikodia,
nitakitakiana tamin'ny sora-baventy :
ny rariny sy hitsiny no zavatra mety !


Tolom-bahoaka ka eran'ny Nosy
nidradradrana ny tsy ho voahosy,
nihetsiketsehana ho fahombiazana
ny ho avy amin'ity tanindrazana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1415 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 26/08/2008 07:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152