ADY AMIN'ADALA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ADY AMIN'ADALA





Miady amin'adala
ka reraka fotsiny
fa hay mankahala,
na ity hafotsiny.




Miady amin'adala
ka aleo mangina
fa tsy mpandala
ny tsara sy tiana.




Miady amin'adala
ka very fotoana 
fa tsy mahalala
ny lesona foana.




Miady amin'adala
ka dia afa-baraka ;
metimety ny miala
sao mahazo daka.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
728 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 26/01/2018 14:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016