You are here: home > Vetso

ALEO MIALA - Fredy Jaofera



ALEO MIALA




Rehefa ny apoaka,
tsy mahafa-po vahoaka,
tsy ahitana toky
na kibo mety voky ;
toa tsy mankahery
fa mainka koa mamery...
Inoako fa tsy mety,
na aiza ianao no hitety
ny fitondrana misy,
saino izany ...Indrisy !



Rehefa ny afitsoka
no mainka koa mihitsoka,
mandentika tanteraka
ny mponina efa reraka,
'reo olona efa resy
sy mitsemboka misesy...
Inoako fa tsy izay
no làlana indray
afaka antenaina,
hita hoe ilaina.



Rehefa ny atao
no mikatso lava izao
hamoronan-dainga
f'efa nisy bainga
azontsika atambatra
mbola hoe hahasambatra...
Inoako fa tsy tsara
ra' ho an'i Gasikara
ny handefitra ihany,
ny hipetraka hatrany.





                             Fredy JAOFERA

Sokajy : Politika

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 18/03/2005
Mpamangy : 1200
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

KARA
NY MARINA (2)
TADIDY
INDRAY MIPI-MASO
TSY ADALA
EFA IZAO !...
ZATRA
MANANKARENA MAHANTRA
GABORARAKA
LEO

Hevitra mandeha

andriary (18/03/2005 15:26:47)

Iombonako hevitra!

Iny izy natao mpanjaka
Nisonenika fa hiaka-dapa

Nitehafana nipopoka
Kinanjo nampahory vahoaka!

Niloka ho mahay mitondra
Dia nitsinjaka mbamin'ny apondra
Fiadanana nampanantenaina
Kinanjo namela-tehamaina!

Nolaiza fa tondraha-dronono
Hay kobaka atao tsara fono
Lazaina fa tantely any an'ala
Hay ranon-geroka manalasala

Dia noroahana ny tompo-trano
Fa sao idiran'angano
Dia nantsoina ny akama fahiny
Hatramin'ny biby vahiny!

.....



andriary (18/03/2005 15:26:48)

Iombonako hevitra!

Iny izy natao mpanjaka
Nisonenika fa hiaka-dapa

Nitehafana nipopoka
Kinanjo nampahory vahoaka!

Niloka ho mahay mitondra
Dia nitsinjaka mbamin'ny apondra
Fiadanana nampanantenaina
Kinanjo namela-tehamaina!

Nolaiza fa tondraha-dronono
Hay kobaka atao tsara fono
Lazaina fa tantely any an'ala
Hay ranon-geroka manalasala

Dia noroahana ny tompo-trano
Fa sao idiran'angano
Dia nantsoina ny akama fahiny
Hatramin'ny biby vahiny!

.....



Hametraka hevitra

Midira aloha