You are here: home > Vetso

Aleo miala - Fredy Jaofera


Rehefa ny apoaka,

Tsy mahafa-po vahoaka,

Tsy ahitana toky

Na kibo mety voky;

Toa tsy mankahery

Fa mainka koa mamery...

Inoako fa tsy mety,

Na aiza ianao no hitety

Ny fitondrana misy,

Saino izany...Indrisy!

Rehefa ny afitsoka

No mainka koa mihitsoka,

Mandentika tanteraka

Ny mponina efa reraka,

‘reo olona efa resy

sy mitsemboka misesy...

Inoako fa tsy izay

No làlana indray

Afaka antenaina,

Hita hoe ilaina.

Rehefa ny atao

No mikatso lava izao

Hamoronan-dainga

F’efa nisy bainga

Azontsika atambatra

Mbola hoe hahasambatra...

Inoako fa tsy tsara

Ra’ho an’i Gasikara

Ny handefitra ihany,

Ny hipetraka hatrany.

Sokajy : Tanindrazana

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : lanto
Daty : 22/11/2003
Mpamangy : 1438
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

NY FOTOANA
NINIA
MALILO
KIBO NITOERAKO
QUAND ?
MANGANANA
FITIA MIFAMALY (2)
TANTELY
RAKI-MALALA
TSINDRIAN-DAONA

Hametraka hevitra

Midira aloha