You are here: home > Vetso

AMBANIVOHITRA - Fredy Jaofera

AMBANIVOHITRA




Mamiko loatra ny ambanivohitra
fa mahavelom-bolo sy ahenoana
ny vorona maro sy ireo sorohitra
misidintsidina eto am-piravoana.


Ny omby mitrena sy ireo kisoa,
toa manaitaitra no ahafantarana
fa milamindamina sy tsara koa
ny toerana hita mety itsaharana.



Ny akoho rehetra sy 'reny gisa
miampy ny dokotra sy ny akanga,
mandeha eny ary tsy voatanisa,
mitondra hafaliana toa miranga.



'Reo lehilahy mitondra angady,
'reo vehivavy miloloha sobika,
vonona foana ny mbola hitady
ny ho hanina lava ra'azo adika.



'Reo tovolahy milalao tandrimo
na ny tovovavy sy dihim-bazaha,
toa sambatra ery no tsy tia mirimo
raha lazalazaina sy indray mizaha.



'Reo ankizy kely mangala-goavy,
'reo sasantsasany mangala-paiso ;
misesika foana ary tsy manavy
fa sainy ombieny ny hoe : raiso.



'Lay renirano mamirapiratra,
misosa mora ary tsy hita aiza,
manainga eto no mampahiratra
'zao vetsovetso izay mba nitaiza.



Tahaka izany no ambanivohitra,
mampahazo aina sy efa ananana,
feno havoana sy tendrombohitra
ary azo ambara hoe : Fiadanana.



Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha