AMBENTINTENY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMBENTINTENY




Ambentinteny mamy
ny hoe : « teny roa »
vao indro re fa tamy
'lay voninkazo soa.




Ambentinteny lafo
'zany « tiako ianao »
raha any ka tarafo,
na tsisy vaovao.




Ambentinteny mora
'tony « Matokisa ! »
vao sento re ny ora
tsy ary voatanisa.




Ambentinteny lava
'zany « iray isika »
raha iny tsy misava
ny jaly toa masiaka.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
826 1
Mpakafy: kanto01
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 08/09/2017 21:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0185