AMIN'NY FAHAMARINANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMIN'NY FAHAMARINANA




Mandeha amin'ny fahamarinana,
mankany amin'ny fahombiazana
mihoatra noho izay fanadinana
natrehana sy efa nahamazana.





Mandeha amin'ny fahamarinana,
mankany amin'ny fahasambarana,
mampitranga ireo fanambinana
toy ny efa, hoe, fandaharana.




Mandeha amin'ny fahamarinana,
mankany amin'ny soa sy ny mety
raha izy no mbola anankinana
'reo tanjona mba ho vetivety !




Mandeha amin'ny fahamarinana,
mankany amin'izay fandresena
mety hahitam-pahamasinana
hiroboroboan'ireo fahendrena.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
680 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 28/02/2017 00:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147