You are here: home > Vetso

AMPIRIMO - Fredy Jaofera

AMPIRIMO





Ampirimo ny Lasa
hampiova ny hoavy,
hamoha ireo kinasa
tsy hisy hampanavy.




Ampirimo ny fery
tsy ho hita intsony
ka ny zava-namery
hanjary hampitony.




Ampirimo ny jaly
ho tantara mivalona
ho maina tsy hamaly
'reo tena mpialona.




Ampirimo ny mafy
tsy hanana anarana,
fa efa ela no nihafy
sy nahazo fiakarana.





Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha