You are here: home > Vetso

Andriamanitra - Fredy Jaofera

Andriamanitra irery

No mahita ny ato am-poko,

Ka tsy nahay namery

Raha nisy aloka nisoko !

Andriamanitra ihany

No mahita ny ato an-tsaiko,

Ka atokisako avy hatrany

Rehefa reraka ny aiko !

Andriamanitra Tsitoha

No mibaiko itony fiainako,

Ka n’inona n’inona manjo,

Mbola Izy no hitarainako .

Andriamanitra tsy foy

No Mpitarika ny làlako,

Ka na tsisy izay fivoy,

Mbola Izy no tsy halako.

Sokajy : Vavaka

Hevitra mandeha

rhina (03/09/2009 07:46:42)

marina mintsy io ry lanto a Andriamanitra irery tsy mahasolo azy na mafy na mangidy na ratsy na tsara ny fianana

Hametraka hevitra

Midira aloha