You are here: home > Vetso

ANDROANY - Fredy Jaofera


ANDROANY





Androany vao nitsiry
'zay hany voa nafafy
notondrahana impiry
sy nantenaina mafy.




Androany vao namoa
'lay hazo nambolena
nanalokaloka taloha
sy tsy nisy nojerena.




Androany vao niseho
'lay tara-pahazavana
nanova teo no ho eo
ny lasa ho hatsarana.




Androany vao nijoro
ny potiky ny varatra
ka very ny horohoro
sy efa soa no taratra.





Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha