You are here: home > Vetso

Angamba - Fredy Jaofera

Angamba tsapanao
Ny ao anatiko ao,
Na mody mba miery
Ny masoko mijery.
     Angamba fantatrao
     Ny vetsoko eto izao,
     Na mody mba tsy taitra
     Ny foko be haitraitra.
Angamba takatrao
Ny tena hira vao,
Na mody mba tsy tia
Ny foko kely aty.

Sokajy : Ahiahy, Fitiavana

Hevitra mandeha

zazagasy (24/06/2005 18:56:06)

Kanto ilay asa soratra, saingy tsy ilaina tanisaina ny fitiavana fa hita sy tsapa @ fihetsika hatao dia ampy ary ny masonao mijery dia mahalaza zavatra maro

Hametraka hevitra

Midira aloha