You are here: home > Vetso

Aoka izay - Fredy Jaofera

Aoka izay, ry tiako,
Ny manao izay mankarary ;
Aoka izay fa fijaliako
‘ty mba andro tsy manjary.
     Aoka izay, malala,
     Ny mandrotsaka tomany;
     Aoka izay fa tsy mba hiala
     ‘lay anao irery ihany.
Aoka izay,ry mamiko,
Ny manao izay mampahory;
Aoka izay fa mbola halamiko
Ireo mitondra sorisory.

Hametraka hevitra

Midira aloha