ASA ?... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ASA ?...



Asa ny faniriako,
na ho nofy na ho tanteraka
fa ny tena nofidiko,
ho anao no mba nateraka ?




Asa ny hetaheta
raha hipoitra sy hitoetra
fa mampitetateta
sao dia hampipararetra ?




Asa ny vazo maro
raha hisavoana fotsiny
fa toa nanafangaro
hatramin'ny rotsirotsiny ?




Asa irony ako
raha hamaly lalandava
fa nahalalako
dobo-po ka miran-tava ?




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1093 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 14/01/2018 11:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113