You are here: home > Vetso

Aza fohazina - Fredy Jaofera

Aza fohazina eto intsony
Ny alahelo izay matory
Sao hitraotra ka ny ony
Hisavoara...Hanorisory.
     Aza fohazina eto intsony
     Ny ranomaso izay nijoy,
     Sao hikiky ka tsy hitony
     ‘reo sentosentoko nitohy.
Aza fohazina eto intsony
Ny adiady izay nitranga
Sao re indro ho lonilony
No hisisika sy hiranga.
     Aza fohazina eto intsony
     Ny tebiteby izay nahazo
     Sao ho faty ka tsy hamony
     ‘lay niriko ho voninkazo.

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha