You are here: home > Vetso

Azonao atao - Fredy Jaofera

Azonao atao ny tsy hitahiry intsony
‘Zay efa alahelo tsy hita ho nitony;
azonao atao ny handrovitra ny sariko,
ny hamotika avy izay rehetra hariko;
azonao atao ny handoro diam-penina:
irony soratsoratro saika hoe nafenina;
azonao atao ny hanolo ny hirantsika,
na tiako loatra sy mbola tsy voadika.
     Azonao atao !...
     Fa ny fitiavako ny teniko
     Sy ny fitiavako ny reniko
     Ary ny fitiavako ny taniko
     Ao ambadiky ireo tomaniko
     No harena sisa tafajanona,
     Miroborobo sy mba vanona.

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : hery
Daty : 20/01/2004
Mpamangy : 1319
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

MILALAO AFO
NY FOKO NO POETY
NY FAHORIANA
AHY
FAKA
NOHO NY FITIAVANA (2)
TSY AHOAKO
HOLATRA
AMBENTINTENY
SAFONONOKA

Hevitra mandeha

radarta (13/02/2011 12:46:46)

Azonao atao ny mandefa ny eritreritra
Hiampita zato ony
Azonao atao ny mande any anefitra
hitady 'zany fony
Azonao atao ny mitety 'zao tontolo izao
mba hampifaly ny fonao
Fa tsy azonao atao ny manimba ny am-pony
zay fa reraka sy lao....

ARA

Hametraka hevitra

Midira aloha