You are here: home > Vetso

BALISAMAKO - Fredy Jaofera




BALISAMAKO





Balisaman'ny orako
manamanitra ho azy
ny dia raha aborako,
izy iny ka fohazy.




Balisaman'ny saiko
mampitony ny jaly
mba zavatra ilaiko
hanova ny omaly.




Balisaman'ny feriko
saika tsy ho sitrana
nampisy ny heriko
no sady mivitrana.




Balisaman'ny aliko
mpitondra ny tory
ka raha atontaliko,
tsy misy mahory.





Fredy JAOFERA

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 10/04/2018
Mpamangy : 128
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

TSY MORA
SOLONTENAKO
SATRIA (2)
NY HENDRY
NY KABARY HATRAMIN'IZAY
VAKA
BALISAMA
NY FANGINAKO
ARIARY
DEVOLY

Hametraka hevitra

Midira aloha