You are here: home > Vetso

DIARY - Fredy Jaofera

DIARY





Taitra indray ny lasa
nanamboatra ny rasa
raha namaky ny diary
feno vovoka sy sary.




Tadidy eto ny taloha,
ny nofinofintsika roa
'reto soratra rehetra
mamelona ny tsetra.




Pejy iray tsy tiana,
fony tojo fihafiana,
satry re hongotana,
hoy ny fo miontana.




'Reo tantara mamy
fony iny isika samy
sambatra aok'izany,
novinaky nitomany.





Fredy JAOFERA




Hametraka hevitra

Midira aloha