You are here: home > Vetso

Diavolam-penomanana - Fredy Jaofera


Itsy volana itsy

Matoa mangasohaso,

Tsy fantatrao mihitsy

Ra’te hiantso andraso !

Iny tarany iny

Matoa mba manazava,

Angamba ankehitriny

Mba te hihira lava.

‘Zany fibalikany

matoa mba hafa kely,

angamba misy dikany

tsy hita velively.

‘Zatsy fenomanany

matoa mba tsy mamaly,

angamba tena hananany

‘Lay hira mampifaly.

Fredy JAOFERA

ANTSIRABE,Alahady 6 Janoary 1985(Diavolana)

Sokajy : Tontolo iainana

Hevitra mandeha

toetra (23/11/2004 00:51:12)

Tena vato namelan-kafatra i Jaofera, mankasitraka !

Hametraka hevitra

Midira aloha