You are here: home > Vetso

EFA IZAO !... - Fredy Jaofera




EFA IZAO !...






Efa izao no fahantrana
toa tsy misy fanjakana
mitsinjo izay vahoaka
dia ny ebo no avoaka.




Efa izao no fahoriana
tsy ahitana fitokiana
dia miravo aok'izany
fa tafita re ny tany.




Efa izao no fanesoana
sy miampy fandotoana
dia indro mirehareha,
n'aiza ianao mandeha.




Efa izao no fihemorana
tsy mba tsara hizorana
dia indro asesy marina
fa ny firenena miarina.





Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha