You are here: home > Vetso

EKEKO KANEFA... - Fredy Jaofera


EKEKO KANEFA...




Marina fa ny toba-karena,
miadana foana aok’izany ;
kanefa na tsisy tangena,
tsy midika fa tsisy tomany.




Marina fa rehefa finaritra,
manana ‘zay zavatra ilaina;
kanefa na tena tsy miaritra,
tsy mitory fa tsisy adin-tsaina.




Marina fa ny olon-tsambatra,
miaina ao anatin’ny lapa;
kanefa na hita tsy miambatra,
tsy midika fa tsy mirapa !




Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha