You are here: home > Vetso

Eny - Fredy Jaofera

Manjombona,lahy,izato foko
Manjombona sy rako-tomany ;
‘reo maty no tonga tsaroako,
manetsika foana hanontany.
     Nankaiza ilay volan-tantely
     Fa ny alina no mamirifiry ?
     Nankaiza no tsy hita mively
     Ireo vazon’ny fo makadiry ?
Nankaiza ilay efa masoandro
Noheveriko hitondra hafanana ?
Rahoviana no afaka hitandro
‘reo toky irina hahatamana ?
     Tsy laviko fa misy tomany,
     Milatsaka ho azy mangina;
     Kanefa raha mbola izy ihany,
     Aleoko mandeha,tsy ijaliana !
Tsy laviko fa misy fotoana
Ahatsiarovako ireo efa lasana;
Kanefa raha mbola hampisaona,
Aleoko mandeha,tsy andrasana !

Hametraka hevitra

Midira aloha