You are here: home > Vetso

EO AM-PELAN-TANANAO - Fredy Jaofera





EO AM-PELAN-TANANAO





Eo am-pelan-tananao
ny hoavin'i Gasikara
ho fiainam-baovao
no tena hisy tsara.




Eo am-pelan-tananao
ny hanova ny omaly
ho foana na handao
'zay mba nampijaly.




Eo am-pelan-tananao
'reo tena fiadanana
katsahina ao ho ao
sy hiaraha-manana.




Eo am-pelan-tananao
'reo fanarenana azy
ka ity re tanteraho
ny adidy fa tsy sazy.





Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha