You are here: home > Vetso

Fanahy iray - Fredy Jaofera

Efa ela isika no efa natambatra
Mba hifampitady sy hifampitantana;
Efa ela no napetraka ho sambatra,
Saingy tsy hita,na mody mivantana.
     Nivezivezy teny irony sila-panahy:
     Nikarokaroka izay tena ho anjarany;
     Kinanjo ny antsika fa indro voatahy,
     Narafitra hiray hatrany amin’ny farany.
Maro dia maro ireo andro niarahana,
Sady nisy alahelo no feno haravoana;
Lafo dia lafo ka ny hoe: fisarahana
Mbola mba nofy fa tsy fandrosoana.
     Mifanesy mangina ny andro rehetra,
     Manondrotra mora ho be fahazavana;
     ISIKA irery no FANAHY tsisy fetra,
     Mba tokana monja fa mbola higagana.

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha