You are here: home > Vetso

NY FANETREN-TENA - Fredy Jaofera


NY FANETREN-TENA





Ny fanetren-tena
dia hatsaran-toetra
tsy mampahonena
na mampitsetsetra.




Ny fanetren-tena
dia endri-pitiavana
tsy manan-tangena
sy vonon-kihavana.




Ny fanetren-tena
dia fahadiovam-po
tsy mba hay fefena
fa mainka aza to.




Ny fanetren-tena
dia halehibiazana
mivoy fahendrena
sy fahombiazana.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha