You are here: home > Vetso

F'angaha - Fredy Jaofera

F’angaha rehefa kamboty
Dia tsy afaka ny hiangoty,
Tsy mba afaka ny hifaly
Fa lazaina hoe:MIJALY ?
     F’angaha raha tsisy reny
     Dia mahantra lavareny,
     Tsy mba afa-tsorisory
     Fa heverinao ho ORY ?
F’angaha raha tsisy ray
Dia very andry fehizay,
Toa tsy ahafahana midola
Fa mizaka sy hoe:TOLA ?
     Iza ange no nilaza izany ?...
     Fa toheriko avy hatrany;
     Tsy ekeko ho marina
     Raha afaka ny miarina !
Iza,ho’aho,re olona ?...
Fa tiako ny hitolona
Hanambara sesilany
Fa laviko eto izany !
     F’angaha rehefa kamboty
     Dia tsy afaka ny hioty,
     Tsy mba afaka ny hiravo
     Fa tsy maintsy foana lavo ?
F’angaha rehefa kamboty,
Tsy mahay miantso avoty;
Fa tsy maintsy foana ketraka
N’aiza n’aiza no mipetraka ?

Hametraka hevitra

Midira aloha