You are here: home > Vetso

Fetin'ny reny - Fredy Jaofera

Raha tonga ny fetin’ny reny,
Satriko ny hangina ombieny,
Satriko ny ho singan’irery
Ho olona tsy manam-pijery;
Satriko ny hivetso ao anaty
Ny senton-dreny efa maty.
     Raha tonga ny fetin’ny reny,
     Satriko ny tsy hanam-piteny,
     Satriko ny hitoba-piadanana
     Tahaka an’ireo mbola manana;
     Satriko ny hikaroka ny ahy,
     Na any sy efa lasa fanahy.
Raha tonga ny fetin’ny reny,
Satriko ny hizotra eny ho eny,
Satriko ny hitady ny anjarako
Hitondra ireo fahasambarako;
Satriko ny hanolotra ho azy
Raozy mena fa tsy vazivazy.

Sokajy : Fety, Fianakaviana

Hametraka hevitra

Midira aloha