You are here: home > Vetso

FOMBAKO - Fredy Jaofera



FOMBAKO





Fombako ny mitady
ny sangisangintsika
rehefa mafy ny ady
tsy hay omena bika.




Fombako ny mihira
'reny fahatsiarovana
rehefa be ny viravira
mila hahatorovana.




Fombako ny miaina
'reo tantara an-tsary
rehefa hita fa ilaina
hampihinam-bary.




Fombako ny mijery
ny soratsoratra avy
rehefa mahazo fery
sy indro re manavy.




Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha