FONY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FONY


Fony lakana very fivoy,
tsy nanana aho izay namaharana ;
nony avotra kosa re, roy,
vao indro ianao be varavarana !



Fony alina namirifiry,
tsy nanana aho izay nirakofana ;
nony nisy tory nitsiry
vao niantso mba nialofana.



Fony toa singany irery,
tsy nanana aho izay nisitrihana ;
nony iny fa nisy nijery
vao tonga ianao mba namihina !



Fony raozy mila ho faty,
tsy nanana aho izay nikolokolo ;
nony efa faly ao anaty
vao tsapako ho nahatsiaro daholo.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1068 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 09/01/2007 19:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144