You are here: home > Vetso

Handefitra ve aho - Fredy Jaofera

Handefitra ve aho raha  manana ny marina
Iniany disoina
Sa dia ny hitolona,na ny feoko ho farina
Sy tiany vonoina ?
     Handefitra ve aho raha manana ny rariny
     Iniany ravana
     Sa dia ny hijoro,na hita fa tsy ariny
     Ny fanazavana ?
Handefitra ve aho raha manana ny hitsiny
Iniany kosehina
Sa dia hiady raha ota ny làla-mahitsiny
Ilaina potehina ?

Sokajy : Hambom-po

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : hery
Daty : 20/01/2004
Mpamangy : 1425
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

KARA
NY MARINA (2)
TADIDY
INDRAY MIPI-MASO
TSY ADALA
EFA IZAO !...
ZATRA
MANANKARENA MAHANTRA
GABORARAKA
LEO

Hevitra mandeha

fiaritiana (05/03/2005 22:17:42)

ny tononkalonao rehetra mihitsy no tena tsara sady manandratra ny mbola maha malagasy tsara be daholo ka misaotra e

Hametraka hevitra

Midira aloha