You are here: home > Vetso

HATAHORAKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

HATAHORAKO





Ny hatsiaka no hatahorako
hamifirifiry ny andro maro
raha tsy eo ilay nifotorako
ho ahy irery ka fantaro !




Ny harary no hatahorako,
n'aiza no mba honenana
ka na hatramin'ny orako
tsy ho hita hambenana.




Ny hangina no hatahorako
hameno ho azy ny tontolo
raha indro izany aborako
ho haravoana no hisolo.




Ny hisento no hatahorako
hisesy foana tsisy farany
raha tsy any no hizorako
fa tiako be ny anarany.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 08/07/2018
Mpamangy : 356
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MITENY NY TANANA
REHEFA ISIKA ROA
FIENTANAM-PO
AO AM-PO
NY ANY AMINAY
NY ANKEHITRINY
MORA MARATRA
KIBO MANINA
KIRY
SAIKA