You are here: home > Vetso

Ho aiza - Fredy Jaofera

Ho aiza ianao ankehitriny
Ra’ambara ho manan-tsiny
Sy lazaina tsy tafarina,
Anjakan’ny tsy marina,
Anjakan’ny hotakotaka
Sy mianjera anaty fotaka ?
     Ho aiza ianao ankehitriny
     Raha efa lasa ny fahiny,
     Efa niova izay navoaka
     Ka nahakivy ny vahoaka
     mba niandrandra fanovana
     sy saika hiandry fahagagana ?
Ho aiza ianao ankehitriny
Raha efa tobaka ny siny
Dia mbola fenoina rano
Hampidirana ny angano
Sy izay mety ho habibiana,
Toa tsy takatra valiana ?
Fredy JAOFERA

Sokajy : Tanindrazana

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : hery
Daty : 04/02/2004
Mpamangy : 1650
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

ANDROANY
TENY
IANAO (2)
EFA FANTATRO
EVINA
LANJAIKO
VODY ANDRO MERIKA
NY RATSY
RAHA TSY EO IANAO
ONIBE

Hametraka hevitra

Midira aloha