You are here: home > Vetso

Hono ho'aho - Fredy Jaofera

Moa ve tsapanao izay zavatra mba tsapako ?
Moa ve mba ianao no hanasitrana ny ratrako ?
Fa tebiteby etoana sy ahiahiko tsy miery
Raha toa ka manontany sy lasa saina irery ?
     Moa ve tsaroanao izay zavatra tsaroako ?
     Moa ve mba ianao no hahasambatra ny foko ?
     Fa ny fenitra rehetra tsy sarobidy tamiko
     Niova dia nitombo sy nanjary tena mamiko.
Moa ve ianao indrindra no anjara  Veromanitra
Handravaka ny tany sy hahamanga koa ny lanitra ?
Fa ny haravoana ilaiko,ny hasambarana tadiaviko,
Aminao no tiako hitoetra hahavanona ny ho aviko.
Fredy JAOFERA

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha