Ianao (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao no mbola voafidy
Hianteherana mandrakizay,
Koa indro fa saro-bidy
‘reo dina natao fahizay.
Ianao no mbola voatendry
Hampihaingo ny zava-boahary;
Koa ento fa tsara fikendry
Ireo toky natao tsy fanary.
Ianao no mbola voabaiko
Hitondra ny tsiky rehetra,
Koa indro fa na dia ny aiko,
atolotro atao tarigetra.
Ianao no mbola malala
Nambabo mora ny saina;
Koa raiso fa mbola tsy miala
Ireo hira fanao vao maraina.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1857 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : hery
Daty : 04/02/2004 18:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015