You are here: home > Vetso

INAY - Fredy Jaofera


INAY




Inay aho tsy tany
fa loza no niseho ;
nanantena akany
dia indro nitoreo.




Inay aho tsy babo
raha iny re no izy
fa tsy nahatsabo
ny fery izaitsizy.




Inay aho tsy mora
nitory izay nanery
fa toa nihamatsora
'reny soa tsy very.




Inay aho tsy maika
nitady famonjena
fa iny vao nitaika
ny orana dia lena.




Fredy JAOFERA

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 15/02/2017
Mpamangy : 209
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

NANDISO
MATETIKA
ATY JERENA
REHEFA AZONAO
MAMBA NOANA
VAVAK'ILAY POETY (2)
AN-TSALAKA
BAKORA
TOLOM-BAHOAKA (2)
OHABOLANA

Hametraka hevitra

Midira aloha