You are here: home > Vetso

INY IANAO... - Fredy Jaofera




INY IANAO...






Iny ianao nisintaka toy ny vorona nikopaka,
ninia toa nanadino 'rony tsiky izay nitobaka,
dia nanorana tsy satry ny taza-manoloana
ka tonga nampahatsiaro ny lasa teny foana.




Iny ianao nanjavo sy nilentika any ho any,
nanimba ny vita sy nitondra ireo tomany,
namory ranomandry hampangatsiaka ery
ny andro maromaro nahay nikalo sy nitia.




Iny ianao nandeha sy tsy nisaina hiverina,
nandà tanteraka ahy raha nikasa haterina,
oram-baratra mahery no nipoapoaka teo
ka  azon'alahelo efa nihevaheva anikeheo.




Iny ianao nitopy sy niseho ho tsy nahalala,
nangarika ahy tokoa sy nitana ilay malala,
nampisento lavareny ka tsy hay, hoe, nahoana
fa tsy hita niarahaba na nilaza mandrapihaona.




Fredy JAOFERA

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 14/02/2017
Mpamangy : 482
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

NANDISO
MATETIKA
ATY JERENA
REHEFA AZONAO
MAMBA NOANA
VAVAK'ILAY POETY (2)
AN-TSALAKA
BAKORA
TOLOM-BAHOAKA (2)
OHABOLANA

Hametraka hevitra

Midira aloha