You are here: home > Vetso

Isaky - Fredy Jaofera

Isaky ny nisy ady mafy nanatrehako ny fiainana,
Tsy teo akory ianao
Nanampy hitari-dàlana sy mba azo nitarainana
Fa naneso,nankalao !
     Isaky ny nisy zava-tsarotra nilako vahaolana,
     Tsy reko akory ianao
     Fa nitsinjaka aza,na tsy niteny,tsy nivolana
     No tsapa fa natao.
Isaky ny nisy faharesena nitakiako vonjy marina,
Tsy avy akory ianao,
Fa mainka nanakivy sy nikendry tsy hahatafarina
No fohaziko eto izao.
     Isaky ny nisy ranomaso nilatsaka tsy fidiny,
     Tsy hita akory ianao
     Nanaiky hizara tamiko ny vesatry ny ngidiny
     Fa namely sy nandao.
Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha