ISAKY NY MIHAONA - Fredy Jaofera

Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 23/01/2012
Mpamangy : 221
Isa : 0
Fidio :









ISAKY NY MIHAONA




Isaky ny mihaona
dia misy hafaliana
no indro mitaona
ny foko vangina.



Isaky ny mihaona
dia misy nofinofy
no toa misavoana
sy tsy hitan’ny rofy.



Isaky ny mihaona
dia misy finiavana
no tsapako foana
mitady fitiavana.



Isaky ny mihaona
dia misy hirahira
no efa tsy saona
sy mba sovenira.




Fredy JAOFERA

Hevitra mandeha

spicatantely (06/02/2012 09:22:26)

rehefa mihaona @iza?

Hametraka hevitra

Midira aloha