KARA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KARA





Kara hafahafa
ny orako etoana
fa tsy ampy tafa,
ry tsarotsaroana.




Kara alahelo
no misisika lava
vao mamelovelo
sy tsisy mazava.




Kara sorisory
no 'ty manadala
ka indro fotory
fa toa tsy miala.




Kara tebiteby
no be eto izany
mpandrebireby
toa tsy hita lany.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
850 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 06/06/2018 19:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103