You are here: home > Vetso

KARAMA VARY MASAKA - Fredy Jaofera


KARAMA VARY MASAKA





Karama vary masaka
no azony isam-bolana,
na feno na misasaka,
tsy ampy re no olana.




Karama vary masaka
no valin-kasasarany,
vao iny fa mipasaka
dia lany no anarany.




Karama vary masaka,
volan-tokantranony ;
marary fa asakasaka
ny asa raha ajanony.




Karama vary masaka
no ihafiany ombieny,
na mitondra dasaka
sy mitsiky lavareny.





Fredy  JAOFERA

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 30/10/2018
Mpamangy : 281
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

NY VEHIVAVY (2)
MANITSIKA
ANDROANY
TENY
IANAO (2)
EFA FANTATRO
EVINA
LANJAIKO
VODY ANDRO MERIKA
NY RATSY

Hametraka hevitra

Midira aloha